Teny iditra tezitra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy faly amin' ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy: Tezitra taminy ny rainy ka saika voafelaka izy ~ Tezitra noho ny hakamoanao ny mpampianatra
Mitovy hevitra: entim-po ~ gaigy ~ hendratra ~ hendratra dia hendratra ~ henjan-kozatra ~ letra ~ liandra ~ lomodomotra ~ lotika ~ madiky ~ maimbo ra ~ malonilony ~ manangam-bovona ~ manao farateny ~ mandongilongy ~ mandrivana ~ mandroatra ~ mena ~ miafokafoka ~ miafonafona ~ miala vonkina ~ miefonefona ~ miempo fo ~ mifongofongo ~ mifotroaka ~ mihidy vazana ~ mihifika ~ mikafankafana ~ mikafara ~ mikintona ~ mikitakita ~ mikitoka ~ milondolondo ~ mimonjomonjo ~ mimonjotra ~ mionjononjona ~ miotinotina ~ mirintona ~ misafoaka ~ misafotofoto vorim-bava ~ misamboaravoara ~ misamontotra ~ misarongatra ~ misondro-dra ~ mitafoaka ~ mitrafana ~ mitrifana ~ mitroatra ~ mivandravandra ~ mivindavinda ~ mivindina ~ miviniviny ~ mivoaramena ~ monjotra ~ montotra ~ romotra ~ sendaotra ~ somalondo ~ sosotra ~ tafintohina ~ tera-mena ~ tohina ~ tonga fofona ohatra ny ronono mandroatra ~ vinitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Angry [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fâché, en colère [1.8]
Ohatra 
1Samy tezitra izy roa lahy. [2.472]
2Tezitra ny anadahin-drenin' ireo zaza. [2.606]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31