Teny iditra | tenim-piontanana | |
Singan-teny | teny ; fiontanana | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
| |
Ny antsoina amin'izany dia ireo teny milaza fihetseham-po eo amin'ny resaka na soratra. Maro karazana izy ireo:ao ny milaza fahatairana miharo hetezerana: adray...; fataraina miharo hagagana: endrey...; alahelo: indrisy; fandatsana: akaito...; fahitana zavatra mahafatifaty: ntrô...Ao aorian'ny tenim-piontanana, dia asiana tsoraka (!) mandrakariva, izay averina indray ery amin'ny faran'ny fehezanteny: indrisy! be fahavalo ny tsara! [1.13] | ||
Fanazavàna teny frantsay | Interjection [1.5] | |
Voambolana | Haiteny | |
Tsanganana sy sary iray takila | ny tenim-piontanana rehetra | |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/08 |