Teny iditra telonohorefy
Singan-teny telo ; refy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany. [1.38]
 Antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The three stars of the belt of Orion [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Les trois étoiles du baudrier d'Orion [1.3]
 Les trois étoiles de la ceinture d'Orion [1.8]
Ohatra 
1Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? [2.996]
2ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany; [2.48]
Voambolana 
Mpanahaka  miadilaona
Ohabolana 

Teny iditra telonohorefy (telo, refy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy The greatest [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chose ou personne grande, éminente [1.8]
Ohatra Misy 70 mahery ireo olona nahitany hevitra ary vitany lisitra ny anarany. Ny ankamaroany amin' ireo dia ny telonohorefy. [2.304]

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/20