Teny iditra paiso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hazo fihinam-boa, izay matsiro sady be ranony ny voany ary misy taolany: Tafatsiry indray ny maitso / Eo an-tokotaninay / Rako-pelana ny paiso / Mavokely ranoray. (Dox) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The peach tree; its fruit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pêche; pêcher [1.8]
  [Merina] (du français : pêche). Nom donné aux pêches et aux prunes, ainsi qu'aux arbres qui les produisent : Prunus persica L. Batsch. ( Rosaceae), le pêcher. Voir aussi paisogasy, pesolahy. Prunus domestica L. ( Rosaceae), le prunier ; Voir paisombazaha . Ces arbres fruitiers originaires des régions tempérées prospèrent bien sur les hauts plateaux et donnent lieu à des cultures assez importantes. L'Institut de la Recherche Agronomique de Madagascar (I.R.A.M.) a publié en 1964 un traité d'arboriculture fruitière adaptée à Madagascar, en 2 volumes, dû à P. Montagnac. C'est actuellement l'ouvrage le plus complet sur la question. [1.196]
Anarana siantifika Prunus domestica, Prunus persica
Ohatra Foto-paiso ringidringitra no mijoro toa mpiambina sahabo ho indroa mandingana miala amin' ny lalana. [2.470]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Paiso (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Ny fihaviany Frantsay: pêche.
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Teny iditra Paiso
Singan-teny paiso
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Tafatsiry indray ny maitso
Eto an-tokontaninay,
Rako-pelana ny paiso
Mavokely rano iray

Tafafoha maraina aho
Hifoka izato rivo-manitra
Eny an’elanelan-taho
Manga ery ny volon-danitra

Eny ambony rantsan-kazo
Indreny vorona mivazo
Am-panaovana ny akany...

Toa hisy azy fatratra
Ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any !
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/06