Teny iditra nenina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an' ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny
Fibebahana amin' ny hadisoana natao
Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny alika (mazava ho azy
Mitovy hevitra: enjehin' ny fieritreretana ~ fay ~ manaiki-molotra ~ mandray ny kiho ~ manongo tena ~ mibarara ~ mijery soratr' omby an-tanàna ~ mitohy fangoka ~ mitohy sakay ~ mitomany tena ~ mitsapa farahatoka ~ nahita faisana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Regret, bitter reflection, grief, repentance, remorse. Comp. bebaka. [1.2]
 Regret [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Regret, remords [1.8]
Ohatra 
1na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
2Taza-maso ny ezaka nataony hanafina ny alahelony tamin'ny vazivazy, ka nisy nenina nisoko tao am-poko. [2.583]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11