Teny iditra mivadika (vadika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha
Mitovy hevitra: malady ofana ~ manao tsimbadiboanampotsy ~ manao tsimbadik' amponga ~ mangala-belirano ~ miodina ~ miova fenitra ~ miroa lela ~ mitsoa-pahana ~ mitsoaka ny teny natao ~ mitsoaka orimbato ~ mivadibadika toa lela may [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivadika
Ny lasa : nivadika
Ny hoavy : hivadika
Filaza mandidy : mivadiha
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16