Teny iditra | mangidy (ngidy) | ||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||
Fanazavàna teny malagasy | Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza Masiaka: Mangidy ny sakay Mampahory izaitsizy, mampangirifiry Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina [1.1] | ||||
Fanazavàna teny anglisy | Bitter [1.2, 1.7] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Amer [1.8] | ||||
Ohatra | Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy.
[2.472] | ||||
Kamban-teny |
| ||||
Anaram-javamaniry |
| ||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mangidy io | ||||
Teny iditra | mangidy | ||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] Saro-tongavina [1.78] | ||||
Fanazavàna teny anglisy | Expensive [1.7] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Qui coûte cher [1.8] | ||||
Teny iditra | mangidy (hidy) | ||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] mangidihidy [1.78] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | [Sakalava-Mayotte] Qui démange, qui donne envie de se gratter [1.405] | ||||
Teny iditra | mangidy | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny frantsay | [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [1.196] | ||||
Anarana siantifika | Physena madagascariensis | ||||
Voambolana | Haizavamaniry ~ Fahasalamana | ||||
Fivaditsoratra | diminga, mangidy |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18 |