Teny iditra mamonjy (vonjy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitondra vonjy ho an' ny...; manala (olona) amin' ny loza: Rakoto no namonjy ilay zaza saika voahitsaky ny fiarakodia
Manampy: Tsy tapaka ny mamonjy ny mahantra izy raha manam-bola koa
Mandeha mba ho tonga amin' ny...: Lasa namonjy ny fotoana nifanaovany tamin' i Naivo i Lita
Manatrika: Nandeha namonjy ny fotoampivaoahana Ramatoa Raketaka
Mihazakazaka, rafitra: Namonjy niditra haingana izy ireo raha vao nahare ny poabasy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To help, to save ; to reach an event, to arrive on time [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Secourir, sauver; assister à une réunion; bâcler [1.8]
Ohatra Mafy izany mamonjy aina izany. [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamonjy
Ny lasa : namonjy
Ny hoavy : hamonjy
Filaza mandidy : mamonje
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mamonjy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay (dialecte non précisé) (de vonjy : porter secours, allusion aux grandes vertus médicinales qu'on lui prête). Croton sp. (Euphorbiaceae). Nom relevé pour deux espèces qui paraissent nouvelles (réf. J. P. Schmitt 374 et 487). La présence d'alcaloïdes a été reconnue dans ces deux arbustes. [1.196]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/13