Teny iditra lefitra
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tanty, zaka: Tsy lefitro izany teny izany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Support
Supporté, action de supporter: Tsy lefitro izany teny izany (Je ne puis supporter ces paroles) [1.3]
Ohatra Toa hoe tsy lefitra ny hadisoam-beny! [2.576]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : lefitra, lefitro, lefitrao, lefiny, lefitsika, lefitray, lefitrareo, lefitr', lefi-, lefitry
Ny lasa : lefitra, lefitro, lefitrao, lefiny, lefitsika, lefitray, lefitrareo, lefitr', lefi-, lefitry
Ny hoavy : ho lefitra, ho lefitro, ho lefitrao, ho lefiny, ho lefitsika, ho lefitray, ho lefitrareo, ho lefitr', ho lefi-, ho lefitry
Kamban-teny 

Teny iditra lefitra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Valona, foritra, lefiravina, ketrona [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Pli, action de se courber, de ployer, de s'incliner [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : lefitra, lefitro, lefitrao, lefiny, lefitsika, lefitray, lefitrareo, lefitr', lefi-, lefitry
Sampanteny 
Kamban-teny 

Teny iditra lefitra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza izay mitana ny laharana faharoa manarakaraka ny voalohany eo amboniny: Rakoto no filoha lefitra amin' ny Fikambananay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The second in rank [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Lieutenant, second [1.3]
 Le second rang, le vice, l'adjoint [1.8]
Ohatra 
1Tsy eto koa ny Lefitra voalohany. [2.332]
2Araka io didim-panjakana io ihany, dia ny Komitim-pokontany izay ahitana ny lehiben' ny kartie sy lefitra roa no misahana ny fitantanana. [4.27]
Haiendriteny 
Tsotra : lefitra, lefitro, lefitrao, lefiny, lefitsika, lefitray, lefitrareo, lefitr', lefi-, lefitry
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: leftenant.

Teny iditra lefitra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Mahafaly] (du malais : lipit, lipat . javanais : lempit : qui se courbe facilement mais ne se rompt pas). Nom des Indigotiers, notamment Indigofera tinctoria L. (Fabaceae), dans la région de Tuléar. [1.196]
Anarana siantifika Indigofera tinctoria
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/29