Teny iditra hanina (hana)
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsakoina dia atelina: Hano ny varinao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be eaten, to be devoured, to be consumed. [Fiji kana; Mal. makan; Tagala kain; Battak pahan.] see hinana, homana. [1.2]
 To be eaten; cf. hìnana; [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on mange [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Nohanin' ny saka ny hena (Le chat a mangé la viande) [1.3]
2Tsy hohaniko io (Je ne mangerai pas cela) [1.3]
3Ny hanina ho hanina, iny no asiana ody; [2.48]
4Maniry hanina an-tenda toa amboa miambozon-koditra. [2.332]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hanina, haniko, haninao, haniny, hanintsika, haninay, haninareo, hanin', hanin-, hanim-, hani-
Ny lasa : nohanina, nohaniko, nohaninao, nohaniny, nohanintsika, nohaninay, nohaninareo, nohanin', nohanin-, nohanim-, nohani-
Ny hoavy : hohanina, hohaniko, hohaninao, hohaniny, hohanintsika, hohaninay, hohaninareo, hohanin', hohanin-, hohanim-, hohani-
Filaza mandidy : hano
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra hanina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Sakafo, nahandro: Tsy mbola azo omena hanina ity marary
Lanina: Nohanin' ilay karilahy iny fotsiny ny volako
Mitovy hevitra: angaredona ~ fahana ~ fanasana ~ fialemana ~ fibobohana ~ fihinanam-be ~ filerana ~ fo tsy aritra ~ halemana ~ kabaka ~ nahandro ~ odiam-bavafo ~ odilolo ~ sakafo ~ sakafo ambany foitra ~ sakafo maivana ~ sakafo sikina ~ sakafom-borondolo ~ sakafon-tsorohitra ~ tsakitsaky ~ tsakotsako ~ tsindrin-tsakafo ~ vatsy ~ vonjy fo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Food, victuals, viands, nourishment [1.2]
 Food, nourishment [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Nourriture, vivres [1.3, 1.8]
 Aliments [1.3]
Ohatra 
1Tsy mahalatsaka hanina ny marary (Le malade est incapable de prendre de la nourriture) [1.3]
2Tsy azo omen-kanina ny marary (Il ne faut pas donner à manger au malade, il faut le mettre à la diète) [1.3]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Mpanahaka  otrikanina
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra hanina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahatsiarovana arahin' alahelo, embona: Ny hanina ny havana any lavitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Longing, eager desire, affection; regret. [1.2]
 Longing, regret [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Regret, chagrin causé par la perte ou l'éloignement de ce qu'on aime [1.3]
 Regret causé par l'éloignement [1.8]
Voambolana 
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra hañina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] rivotra [1.78]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/20