Teny iditra gaga
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mihetsi-tsaina amam-panahy eo anoloan' ny zavatra tsy fahita andavanandro na tsy nampoizina, amin' ny lafiny tsara na ratsy: Gaga anao aho ~ Gaga ny nataonao aho na gaga amin' ny nataonao aho ~ Gaga aho raha sahy nanao izany Rakoto. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Amazed, astonished at. It governs an accusative case, as gaga anao aho, I am astonished at you. See ankona, kehaka, taitra, talanjona. [Jav. gaget, kayet, to startle.] [1.2]
 Astonished [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Etonné, stupéfait, en admiration, surpris: Gaga anao aho (Je vous admire) ~ Gaga ny nataonao aho (J'admire ce que vous avez fait) ~ Gaga aho raha sahynanao ratsy toy izany îzy (Je suis étonné qu'il ait osé se conduire aussi mal) [1.3]
 étonné, ébahi [1.8]
Ohatra 
1Gaga aho raha tany Ambohimahagaga
ary talanjona raha tery Andohatanjona
[2.131]
2Toa gaga ihany koa izy, satria nanaronana sosoa maraina sy nasaina nihinana tao an-dakozia. [2.470]
3Hoy izy gaga nijery ahy tsara. [2.471]
Haiendriteny 
Tsotra : gaga
Filaza mandidy : ga
Sampanteny 
 
Tovy hevitra dagaga ~ dogaga ~ talanjona ~ tolagaga ~ tokaka ~ vaky vava ~ zendana ~ variana ~ sondriana ~ revo ~ renoka ~ kepoka ~ vakim-baratra ~ ilatsaham-baratra ~ gaina foana ~ kehana foana
Anaran-toerana 

Teny iditra ga (gaga)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra gaga [fitanisana]
Ohatra Admirez, soyez étonné [1.3]

Teny iditra ga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Goaika [1.78]
Fanazavàna teny anglisy A provincial word for goaika [Mal. gagak.] [1.2]
Voambolana 
Tovy hevitra goaga ~ goaka ~ goaika ~ goake ~ goaky
Anaram-javamaniry 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31