Teny iditra farihy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tany lemaka lehibe feno rano mihandrona tsy mivoaka: Farihin' Alaotra. (Misy karazany telo ny rano mihandrona amin' ny tany lemaka toy izany arakaraka ny halehibeny, ka ny farihy no lehibe indrindra, dia ny kamory, ary ny dobo no kely indrindra, ka itỳ farany mety ho vita-Nanahary na arin-tanan' olombelona) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A pool, a pond, a lake. Larger than kamory [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Lac [1.3, 1.13]
 étang [1.3]
Ohatra 
1Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [2.472]
2nony nanaovana farihy kely, dia nisy eran-tánan-droa; [2.48]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Mpanahaka  dobo ~ kamory
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31