Teny iditra difisesy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomban-drandram-bolo izay misesy midina avy any ambony ary ampiana volo kely isaky ny ampifanolanina indray mandeha ka mifampidipiditra mandady hatrany manaraka ny hodi-doha ary miraikitra sy mipetaka amin' ny loha fa tsy mba mikiraviravy na miefakefaka. (Mitovitovy amin' ny lambomiditra ihany ny difisesy, fa ny haventesan' ny sori-bolo no maha-samy hafa azy; ny difisesy dia atao koa hoe randrantarihina) [1.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31