Teny iditra azoazo (azo)
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tiana araka ny fankasitrahan' ny maso, na ny sofina...: Iza no alainao amin' ireto satroka ireto? Itsy volombatolalaka no azoazoko
Metimety, tsaratsara, enti-milaza toe-pahasalamana tsy tsaratsara teo aloha ka efa metimety: Manao ahoana izany fanavianao? Efa azoazo fa misaotra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Pleased with, preferred, grateful. [1.2]
 Found pleasing, approved of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Obtenu un peu, compris un peu: Tsy azoazoko ny teninao (Je ne comprend pas trop ce que vous dites)
Préféré [1.3]
 Approuvé, préféré [1.8]
Ohatra Mbola azoazoko an-tsaina ihany fa voalavo marary izy io [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : azoazo, azoazoko, azoazonao, azoazony, azoazontsika, azoazonay, azoazonareo, azoazon', azoazon-, azoazom-
Ny lasa : nazoazo, nazoazoko, nazoazonao, nazoazony, nazoazontsika, nazoazonay, nazoazonareo, nazoazon', nazoazon-, nazoazom-
Ny hoavy : hazoazo, hazoazoko, hazoazonao, hazoazony, hazoazontsika, hazoazonay, hazoazonareo, hazoazon', hazoazon-, hazoazom-
Kamban-teny 

Teny iditra azoazo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Provincial] Ranon' afero [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Bile. (afèro). [1.19]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16