Teny iditra akotifahana
Singan-teny akoty ; fahana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Lamba, izay kofehy avy amin' ny akoty no atao fahany, ary lasoa ny tenany. Tato aoriana anefa, dia nisy fiovana ny hevitry ny teny, ka natao hoe akotifahana koa ny lamba natao tamin' ny lasoa (landy vazaha) ranofotsiny, ary voaravaka, misy sary fatratra: ny sasany aza misoratra, misy lokiny isan-karazany. Lamba tena sarobidy, fara-fihaingoana, ny akotifahana, lafo hatramin' ny ariary zato -- vola be dia be tamin' izany andro izany. [1.10]
 Lamba landy izay vita tenona mihitsy ny sorany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Coutil, tissus en soie du pays avec dessins [1.3]
Voambolana 
Tovy hevitra akoty
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12