Teny iditra maka (aka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandray, mangalatra: Nisy naka ny bokiko teto ambony latabatra
Mandeha mba hitady ary hitondra, miharana: Lasa naka rano any am-pantsakana i Soa, ary naka kitay any an-tsaha i Benaivo
Mandeha mba hiangavy (olona) ho tonga: Lasa naka dokotera i dada fa manavy ny zandrinay
Mandeha mba hitondra (zavatra) hiverina: Ndeha maka antsy atsy atsinanana atsy, ry Veto a! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fetch, to bring, to take [1.2]
 To take, to fetch [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Prendre, chercher [1.8]
Ohatra 
1tsy maka tsy an-tampon-kandrina, tsy mivoaka afa-tsy an-taro-po : mahavoa iny, mahafaty; [2.69]
2Amin' ny iray anie e, hoy indray izy mamerina ny hafatra sady maka toky amin' ny mpanofa. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maka
Ny lasa : naka
Ny hoavy : haka
Filaza mandidy : ma
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra ma (aka)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao maka [fitanisana]
Ohatra Abo toerana loatra io boky io ka makà tohatra [1.1]

Teny iditra maka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] Volana fahafito amin'ny taona [1.78]
  [Taisaka] Volana fahaenina amin'ny taona (Jona) [1.78]
  [Bara] Volana fahaefatra amin'ny taona [1.78]
  [Bezanozano] Anaram-bolana fahavalo amin'ny taona [1.78]
Voambolana 

Teny iditra Maka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Maka [2.996]
 Maacah [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Maaka [2.996]
Ohatra Makatita no natao anaran' ny mponina tao Maka [1.38]
Voambolana 
Tovy hevitra Maakà
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 
Lahatsoratra 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/21