Fanazavàna teny malagasy | Ity no boky farany indrindra araka ny
filaharana ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary noho
ny hasarotan' ny fanoharana maro ao aminy
dia efa nisehoan' ny adi-hevitra betsaka izy.
Ny hevitry ny teny hoe «Apokalypsy»
dia fanesorana ny fisalobonana izay manafina zavatra tsy ho hita miharihary. Nisy
boky maromaro nitondra izany anarana izany
fahizay, ka ny manazava ny zava-miafina
no nokendreny ; koa dia natao araka izany
ny toetran' ny teny sy ny hevitra ao anatiny.
Isan' ireo boky ireo ity. Fanaon' ny
Fiangonana Kristiana tamin' ny voalohany ny
manangona ny soratra avy tamin'ny Apostoly:
indraindray tantara izany; indraindray
hevi-pinoana ; indraindray fanambarana
sy faminaniana. Nohajainy fatratra
ireny ka nomeny anarana hoe Apokalypsy
noho ny toetrany. Toy izany, ny « Filazantsara
nosoratan' i Petera,» ny « Toritenin' i
Petera,» ny « Apokalypsin' i Petera,» ary
ny «Apokalypsin' i Paoly.» Ity farany ity
dia mihambo ho milaza ny zavatra hita sy
ren' i Paoly fony izy nakarina tany amin' ny
lanitra fahatelo (2 Kor. 12). Tsy misy azo
itokiana ho marina anefa ireny, afa-tsy ity
Fanambarana hitan' i Jaona ity ihany. Ary
na dia ity boky ity aza dia tsy neken' ny fiangonana
rehetra tamin' ny voalohany ho
isan' ny Kanonan' ny Soratra Masina.
Papias isan'ny Ray apostolika, izay teraka
tamin' ny taona 70 A.D., dia nahalala ity
boky ity ; ary tamin' ny siekla faharoa dia
boky fantatra tsara izy. Jostina Martiora
dia milaza azy ho nosoratan' i Jaona Apostoly ;
ary nisy maro hafa koa nandray sy
nampiasa ity boky ity, dia ry Melito tao
Sardisy, Polykrato tao Efesosy, Teofilo tao
Antioka, Klementa tao Aleksandria, ary
Origena. Ireo ny tany Atsinanana ; ary ny
tany Andrefana kosa dia ry Tertoliana,
Kypriana, ets., ary indrindra ilay sombin-taratasy
malaza rovidrovitra atao hoe « Ny
Sombin-taratasin' i Morotoriana ; » ireo rehetra
ireo dia samy manambara sy manamarina
azy ho isan' ny Kanonan' ny Soratra
Masina. [1.38]
|