Teny iditra o
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy Tarehintsoratra fahefatra ambin'ny folo ary zanasoratra fahefatra amin'ny abidy malagasy. Ny zanatsoratra O dia mety hanana tonom-peo "ao" amin'ireto toe-javatra telo ireto ka amin'ireo roa farany dia asiana satrony (ô) ny fanoratana azy: a) amin'ny teny avy amin'ny fiteny vahiny: radio, sosisy; b) amin'ny teny fitenim-paritra sasantsasany: ny vôla (tsimihety); d) amin'ilay tenim-piontanana merina "ô": Tompo ô! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The fourteenth letter of the Malagasy alphabet. In accented syllables it has the sound of o in move, but a somewhat lighter sound in unaccented syllables. In the interjection "o" (used as a sign of the vocative case) and in some of the provinces it has the same sound as a single o in English. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Quatorzième lettre et quatrième voyelle de l'alphabet malgache [1.3]
Mpanahaka  abidỳ
Tsanganana sy sary iray takila Ny abidia
Lahatsoratra 
Sary 

Teny iditra ô
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Fanao eo aorian' ny anaran' olona antsoina ka italahoana, na anaran-javatra heverina ho toy ny olona ka itenenana: Tompo ô, mihanta aminao izahay! / Ry tanindrazanay malala ô [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used in addressing people, as : Rakoto ô! oh, Rakoto! [1.7]
Fanazavàna teny frantsay (vocative) [1.8]
Ohatra Rafotsy ô ! miantso andRampananambonitany, efa lehibe isika [2.48]

Teny iditra -o
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Mpanahaka  -ko
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Teny iditra O
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  Ôksizenina. Singa mietona, fahavalo amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy Oxygen. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Oxygène. [3.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/08/14