Teny iditra |
vonto
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Lena hatrany anaty, lena tanteraka: Vonton' ny ranonorana ny akanjony Tanteraky ny...: Vonton' ny hatsiaka aho izany Hontsa: Vonton-kafaliana ny fony ~ Vonton' alahelo izy nahita ny zanany maty teo am-pofoany ~ Vonton' ny fitiavana an' Andriamanitra Feno tanteraka: Rano vonton-tsiramamy ~ Vonton' ny fampianaran' i Mao izy Lao, boboka: Vonton' ny anatrao aho fa aoka izay Sosotra, letra: Vonto ny foko isaky ny mahita azy [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Swollen; soaked [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Enflé; trempé, imbibé [1.8]
|
Ohatra |
1 | Nirotsaka ny ranomasony, dia nafenin' ny tànany roa ny tavany vonto.
[2.5]
|
2 | Eny àry, ry ise, hoy izy namafa mosara ny masony vonto ranon' ny fihomehezana.
[2.4]
|
|
Sampanteny |
|
|
Teny iditra |
vonto
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Sihanaka]
Vay [1.78]
|
Fanazavàna teny anglisy | A swelling [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Enflure [1.8]
|
Voambolana |
Kamban-teny |
|
|
Teny iditra |
vonto
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | ( ?) Rochon, p. 313 de son « Voyage aux Indes » écrit « bontou » : arbre dont la racine teint en jaune ; il croît au bord de l'eau ; sa feuille est épaisse et par paires. Le sens général de vonto : enflé, gonflé, imbibé d'eau ou de liquide, renvoie à une espèce très aqueuse, peut être une Mélastomatacée ? Chapelier parle aussi de cette espèce à propos des techniques de teinture.
[1.196]
|
Voambolana |
|