Fanazavàna teny malagasy | Avala ho velona, noesorina tamin' ny fahafatesana ka naverina amin' ny fahavelomana indray: Efa nohelohin' ny fitsarana ho faty io olo-meloka io fa novelomin' ny Filohan' ny Nosy Karakaraina, ahina, omena sakafo: Tsy zakany velomina intsony, hono, ny zanany Ampanenoina, velezina: Velomy amin' izay ny lakolosy fa efa amin' ny valo maraina izao Tsofina mba hirehitra: Novelominy indray ny afo nony Lasa ny fahavalo (hevitra an'ohatra) Velomy isan' andro ny finoanao [1.1]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
velomina,
velomiko,
velominao,
velominy,
velomintsika,
velominay,
velominareo,
velomin',
velomin-,
velomim-,
velomi- |
Ny lasa : |
novelomina,
novelomiko,
novelominao,
novelominy,
novelomintsika,
novelominay,
novelominareo,
novelomin',
novelomin-,
novelomim-,
novelomi- |
Ny hoavy : |
hovelomina,
hovelomiko,
hovelominao,
hovelominy,
hovelomintsika,
hovelominay,
hovelominareo,
hovelomin',
hovelomin-,
hovelomim-,
hovelomi- |
Filaza mandidy : |
velomy |
|