Teny iditra vavany > vavatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fatitra na tatatra kely
Vaha, velatra
Famosahan-kevitra, filazana [1.1]
Sampanteny 

Teny iditra vavany > vavaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitsaohana sy fangatahana atao amin' Andriamanitra: Olona tia vavaka marina raha iny vehivavy iny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Prayer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Le culte rendu à Dieu, la prière, l'adoration [1.3]
 Prière; voeu, bénédiction [1.8]
Ohatra 
1Narahany vavaka ny fandevenana ireny [2.245]
2Tena zava-dehibe indrindra ny vavaka [2.285]
3Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany [2.720]
4Tera-mena satria ny vavaka efa ela no tsy haiko [2.4]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Vavaka ao am-po
Lahatsoratra 

Teny iditra vavany > vava
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiandohan' ny lalan-kanina, izay eo afovoany ambanimbany amin' ny tarehy no misy azy, ary misarintsarin-davaka ny endriny, voafaritry ny molotra roa ambony sy ambany: Ao anatin' ny vava no misy ny lela sy ny nify
Faritra misy loaka amin' ny zavatra anankiray, izay ampiasaina ho fidirana na fivoahana: Vava tafondro
Teny ilazana rehefa mety ho faritra mitarehin-davaka na loaka: Vava fery
Fiandohana: Vava asa, vava alahamady
Fahereza-miteny befahatany: Vavan' olona koa Rasoa iny!
Teny, fitenenana: Tsy tohako ny vavan-dRamatoa io ka aleoko mihataka ~ Vava soa sakafo fa ny vava ratsy adidy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The mouth [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bouche [1.8, 1.196]
 Ouverture [1.8]
 Entrée [1.196]
 Bec, gueule, museau, mufle [1.13]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : vava, vavako, vavanao, vavany, vavantsika, vavanay, vavanareo, vavan', vavan-, vavam-
Tovonana : -bava, -bavako, -bavanao, -bavany, -bavantsika, -bavanay, -bavanareo, -bavan', -bavan-, -bavam-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Manontolo loha
Anaran' akora mamorom-batana handrina, maso, molotra, orona, saoka, sofina, takolaka, tarehy, tava, volo, volomaso, volombava
Lohateny Basy Vava
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra vavany > vava
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara, Sihanaka] voady [1.78]