Teny iditra vaky
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza zavatra potika noho ny olona na vely nahazo azy na noho ny fianjerany: Vaky ny solomasoko
Simba, rava: Vakin' ny rano ny fefiloha
Miseho: Vaky masoandro
Fantatry ny olona rehetra: Vaky izao ny tsiambaratelony
Enti-milaza ny ravina, ny voa, ny vony vao mivelatra: Vaky ravina ny zavamaniry amin' ny lohataona
Mitovy hevitra: manamika ~ misaraka ~ mitsefoka ~ mivava ~ miveraka ~ tapaka ~ tresaka ~ triatra ~ vaky hentana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Broken, as glass; split; split open [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Brisé, comme le verre; fendu; partagé [1.8]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra vaky
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Sila-javatra potipotika, poti-javatra: Voan' ny vakin-tavoahangy ny tongotro
Fanasaratsarahana ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazaina: Vaky teny malagasy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Morceau, partie ; les diverses parties d'un bourgeon qui s'ouvre [1.196]
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/19