Teny iditra vaingana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vongan-javatra vaventy; didin-javatra makadiry: Lasan' ny saka ilay vaingan-kena teo ambony lovia. / Miempo ny vaingan-dranomandry raha vao tratran' ny hafanana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A lump: [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Masse, motte [1.8]
Sampanteny 
Tovy hevitra vainga ~ vaingavainga
Kamban-teny 

Teny iditra vaingana (vainga)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Didiana: Vaingao kely ity hena ity [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vaingana, vaingako, vainganao, vaingany, vaingantsika, vainganay, vainganareo, vaingan', vaingan-, vaingam-, vainga-
Ny lasa : novaingana, novaingako, novainganao, novaingany, novaingantsika, novainganay, novainganareo, novaingan', novaingan-, novaingam-, novainga-
Ny hoavy : hovaingana, hovaingako, hovainganao, hovaingany, hovaingantsika, hovainganay, hovainganareo, hovaingan', hovaingan-, hovaingam-, hovainga-
Filaza mandidy : vaingao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20