Teny iditra tsaina > saina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitaovan' ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala: Tsy manan-tsaina ny biby ka tsy mahazo izay lazaina aminy ~ Marani-tsaina ity zaza ity
Eritreritra: Tsy tonga tao an-tsaiko izany
Fitsarana zavatra: Tery saina ianao izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The mind, the intellect [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'esprit, l'intelligence [1.8]
Ohatra 
1Dia nivady nifanara-draharaha tsara Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy, fa nitovy saina. [2.293]
2Mahazo vahana ihany koa na hafetsifetsenna isan-karazany ampiasainy saina sy hevitra matsilo. [2.470]
3Nisy zavatra nisakana ny sainy tsy hanoratra; [2.324]
4Ny hafaliam-po anaty ihany no mameno ny sainy [2.470]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : saina, saiko, sainao, sainy, saintsika, sainay, sainareo, sain', sain-, saim-, sai-
Tovonana : -tsaina, -tsaiko, -tsainao, -tsainy, -tsaintsika, -tsainay, -tsainareo, -tsain', -tsain-, -tsaim-, -tsai-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Sakafontsaina (Andrianjafitrimo Edouard)
Ohabolana 

Teny iditra tsaina > saina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tapadamba misy tahony na hazony, izay natao fanevan' ny tafika tany am-boalohany, ary tonga famantarana ny firenena tatý aoriana amin' ny lokony samy manana ny azy: Ny saina malagasy dia fotsy, mena, maitso. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An ensign, a flag, a banner [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Drapeau, bannière [1.8]
Haiendriteny 
Tsotra : saina, saiko, sainao, sainy, saintsika, sainay, sainareo, sain', sain-, saim-, sai-
Tovonana : -tsaina, -tsaiko, -tsainao, -tsainy, -tsaintsika, -tsainay, -tsainareo, -tsain', -tsain-, -tsaim-, -tsai-
Tovy hevitra fanevam-pirenena
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: enseigne.
Lahatsoratra 

Fivaditsoratra