Teny iditra tefoedra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Aretina avy amin' ny mikraoby iray manokana izay atao hoe basilin' i Eberth, avy amin' ny sakafo, ary miditra any amin' ny tsinay, ka ny famantarana azy dia tazo tsy mety miafana sy fivalanana matetitetika; raha tsy voatsabo dia miafara amin' ny fahaloahan' ny tsinay ny tefoedra [1.1]
 Anarana omena ny aretina vokatry ny fidiran'ny mikrôby ao amin'ny tenan'ny olombelona [1.13]
 Jereo "Tazo tefoedra" [Rehefa tsy misy ny dokotera, takila 188] [5.mg.https://hesperian.org/wp-content/uploads/pdf/mg_wtnd_2016/mg_wtnd_2016_14.pdf]
Fanazavàna teny anglisy Typhoid fever [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fièvre typhoïde [1.8]
 Typhoïde [1.13]
Ohatra Ny tefoedra dia miteraka hafanana izay miakatra mandritra ny 5 andro. [2.424]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: typhoid.

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/14