Teny iditra solontena
Singan-teny solo ; tena
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Olona misolo, izany hoe manao zavatra na manatrika fivoriana amin' ny anaran' olon-kafa: Ny lehiben' ny fampianarana no solontena nalefan' ny Minisitry ny Fanabeazana tany amin' ilay lanonana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A delegate, a representative [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Représentant [1.8, 1.13]
 Délégué [1.8]
Ohatra 
1Iaombilahitsivahy no nitarika ny solontena nalefa. [2.508]
2Tonga ilay solontena, i Dr Assad, ny volana desambra. [2.356]
3Tsy mahazo miara-manatrika eo ny solontena tompon toerana sy mpisolo toerana. [2.114]
Haiendriteny 
Tsotra : solontena, solontenako, solontenanao, solontenany, solontenantsika, solontenanay, solontenanareo, solontenan', solontenan-, solontenam-, solontena-
Tovonana : -tsolontena, -tsolontenako, -tsolontenanao, -tsolontenany, -tsolontenantsika, -tsolontenanay, -tsolontenanareo, -tsolontenan', -tsolontenan-, -tsolontenam-, -tsolontena-

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/08