Teny iditra sokatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fivohana; tsy fikombonana fa fitanatanana. [1.1]
Sampanteny 
 

Teny iditra sokatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-biby mandia tongotra efatra, iva tongotra, mifono ao anaty akora, izay mafy eo amin' ny faritra manarona ny lamosiny sy ny tendany, manify kosa eo amin' ny fanambaniny; manatody aleviny any anaty fasika ny sokatra; hanin' ny olona ny nofon' ny sokatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A turtle or tortoise [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Petite tortue [1.54]
 Tortue [1.8]
Ohatra 
1Izy roa tonta dia samy mankafy sokatra, kanefa samy fady mihinana sokatra lavitra ny ranomasina. [2.508]
2Nahefa lovia-bara, hara teny sakalava milaza hoditra ny sokatra lebibe izay ao amy ny ranomasina, fa tsy kely tahaky ny sokatra aty Merina, ka anaovana taozavatra betsaka. [2.48]
Voambolana 
Anaram-biby 
Mpanahaka  fano ~ kapiky ~ sokabe

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2021/01/02