Teny iditra roahina (roaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ambenana ka arahina avy ato aoriana: Efa lasa noroahin' Ikoto any an-tsaha ny omby
Atosika handeha hihataka: Roahy any io alika io
Terena hiala, esorina: Noroahin' ny mpampianatra Ibalita fa sady tsy mahay no maditra
Atao sesitany: Noroahin' ny fanjakana izy fa nahavita heloka bevava [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be driven away, to be expelled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on chasse; qu'on pousse devant soi; qu'on expulse [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : roahina, roahiko, roahinao, roahiny, roahintsika, roahinay, roahinareo, roahin', roahin-, roahim-, roahi-
Ny lasa : noroahina, noroahiko, noroahinao, noroahiny, noroahintsika, noroahinay, noroahinareo, noroahin', noroahin-, noroahim-, noroahi-
Ny hoavy : horoahina, horoahiko, horoahinao, horoahiny, horoahintsika, horoahinay, horoahinareo, horoahin', horoahin-, horoahim-, horoahi-
Filaza mandidy : roahy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20