Teny iditra raraka
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Teny ilazana rano na voan-javatra mianjera ka miparitaka, na fofona vaky ka miely, very: Raraka daholo ilay menaka vao novidina / Raraka tao amin' ny tany ny fotsimbary
Tsy afa-panadinana: Raraka indray Rabe tamin' ny fanadinana farany tao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Spilled, scattered [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Répandu, comme de l'eau, des grains, des parfums; qui s'est détaché, comme des feuilles d'un arbre
Figuré: arrêté par la lassitude; ruiné [1.3]
 éparpillé [1.8]
Ohatra 
1Raraka tamiko ny antsasak' ilay rano. [2.4]
2Tsy hisy raraka an-tany izay haloaky ny vavanao. [2.528]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : raraka, rarako, rarakao, rarany, raratsika, rarakay, rarakareo, rarak', rara-
Ny lasa : raraka, rarako, rarakao, rarany, raratsika, rarakay, rarakareo, rarak', rara-
Ny hoavy : ho raraka, ho rarako, ho rarakao, ho rarany, ho raratsika, ho rarakay, ho rarakareo, ho rarak', ho rara-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/20