Teny iditra mizotra (zotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha: Mizotra tsara ny soavalinao izany
Mandeha milamina, misosa: Mizotra tsara ny fianarako
Mandeha, mivalana, mikoriana: Raha efa avy eto, dia mizotra mianavaratra ity renirano ity
Mahazo, mihazo: Nizotra tamin' ny arabe fa tsy tamin' ny lalan-kely akory izy
Mitovy hevitra: manao ranolava ~ manao tohy lahy ~ manao tohy lava ~ manao tohy vakana ~ manao tsoa-tokana ~ manao valala manjohy ~ manao zo-balala ~ mifanao aloha sy aoriana ~ mifanjohizohy ~ milahatra ~ mitandahatra ~ mitandavana ~ mitanjozotra ~ mitomandavana [1.1]
Ohatra 
1nefa mizotra tsy fídiny amin'izany hiany izahay. [2.59]
2Mety raha lazaina fa ny rehirano ao Manalalondo dia mizotra mianavaratra; [2.588]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mizotra
Ny lasa : nizotra
Ny hoavy : hizotra
Filaza mandidy : mizora
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/04