Teny iditra mitrotro (trotro)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamihina olona na zavatra amin' ny sandry izay ankinina amin' ny tratra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Porter sus sa poitrine, entre ses bras [1.3]
Ohatra 
1Tao andrefan' i Vodiala teo akaikin' ny tetezan' I Sahabe, indray alahady maraina, vehivavy iray mitrotro zaza, no nandalo ndeha hiangona. [2.472]
2Indreny vehivavy mibaby zaza, antitra mitrotro kilonga, lehilahy miantsoroka entana, maratra midridridridry isak' izay mandingana no aloka novinaniana niserana toa matoatoa teo anoloan' izy mianaka. [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitrotro
Ny lasa : nitrotro
Ny hoavy : hitrotro
Filaza mandidy : mitrotroa
Mpanahaka  mibaby
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20