Teny iditra mitatitra (tatitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitondra, mitaona zavatra imbetsaka miverimberina: Indimy nitatitra ilay sarety veto nahataona ireo vato novidinay
Mitondra (teny): Rabe no nitatitra izany teny izany tamin' ireo iray tampo aminy [1.1]
Ohatra 
1Sasatra ireo mpanao raharaha miloloha hena an-koveta sy mitatitra vary masaka an-tsobika. [2.470]
2Raha mitatitra entana eo anelanelan' i Toamasina sy Maroantsetra aho, dia tsy hahazo izay tokony ho azoko ve? [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitatitra
Ny lasa : nitatitra
Ny hoavy : hitatitra
Filaza mandidy : mitatera
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11