Teny iditra misendaka (sendaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miendaka, miala, midifika: Misendaka ho azy ity hodi-kazo ity
Miolonolona, miendaka: Tsy tsara ny misendaka amin' ny be sy ny maro
Misintona, miala: Raha vao avy niteny ny rainy dia lasa nisendaka izy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misendaka
Ny lasa : nisendaka
Ny hoavy : hisendaka
Filaza mandidy : misendaha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05