Teny iditra mipepo (pepo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misy lempona, manjary pepo: Mipepo ity vata ity
Mihemotra, mikemo, mitakemotra, mitambotsotra: Tandremo sao mipepo amin' izany teny fandrahonana izany ianareo ~ Tsy mipepo aho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be hollow [1.2]
Ohatra izany no hikezahany sy hilofosany amin-kerim-po tsy mipepo [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mipepo
Ny lasa : nipepo
Ny hoavy : hipepo
Filaza mandidy : mipepoa

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20