Teny iditra mikraoby > mikrôby
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy [ mikraoby ] [frantsay microbe] anarana ankapobe iantsoana ireo zavamananaina na zavamaniry kiritika kely, tokantsela, tsy hita raha tsy amin' ny mikraoskaopy, miteraka aretina. Misy karazany telo ny mikraoby: 1) ny virosy; 2) ny mikraoby zavamaniry, izay mitsinjara vitsivitsy indray, ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibrio, spiroketa); 3) ny mikraoby bibikely (hematozoera, amiba, tripanozaoma) [1.1]
 [ mikraoba ] Anarana ankapobeny iantsoana an' ireo zavamananaina kiritika tsy hita raha tsy amin' ny fanitajery; miteraka aretina araka ny karazany avy; sokajin' ny tokan-tsela; misy karazany telo dia ny viriosy sy ny mikraoba zavamaniry izay mbols mitsinjara vitsivitsy ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibriôna, spirôketa), ary ny mikraoba bibikely (hematôzoera, amiba, tripanôzôma). [1.62]
Fanazavàna teny frantsay Microbe, virus [1.13]
Voambolana 
Tovy hevitra otrikaretina
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: microbe.