Teny iditra mihazakazaka (hazakazaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha haingana dia haingana: Mahery mihazakazaka ny aositrisy
Mila vonjy, manatona hangata-bonjy: Nihazakazaka aty aminao aho fa misy mahaporitra ahy kely
Mitovy hevitra: manao antsaikona ~ manao rarangy ~ manao tongomalady ~ manao tongotra an-katoka ~ mandainday ~ mandeha haingana ~ mandeha toy ny sitimo ~ mandeha toy ny tadio ~ mandeha toy ny tselatra ~ mandrivotra ~ manidina ~ midodododo ~ mikaretsaka ~ mimaona ~ miridana ~ mirifatra ~ mirimorimo ~ mirintona ~ miriotra ~ miritirity ~ mirodorodo ~ mirotoroto ~ mitsoriaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To run [1.2, 1.7]
 To gallop [1.2]
 To race [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Courir [1.3, 1.8]
 Galoper: Mahery mihazakazaka io soavaly io (Ce cheval court, galope fameusement) [1.3]
 Demander secours, avoir recours à [1.3]
Ohatra 
1Lasa izy nihazakazaka nankao an-trano: [2.324]
2Tsy sahy nihazakazaka nialoha lalana azy toy ny fataony, tsy sahy niloa-bolana taminy indray mandeha akory ... [2.470]
3Mihazakazaka manodidin-trano aloha no ataony, sady raotiny eny am-pihazakazahana ny rindrina zozoro. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihazakazaka
Ny lasa : nihazakazaka
Ny hoavy : hihazakazaka
Filaza mandidy : mihazakazaha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20