Teny iditra mifankahalala (lala)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifamaly ny fahalalana, ka ny iray mahalala ny iray, ity faharoa koa mahalala ilay voalohany: Mifankahalala tsara izaho sy Rakoto [1.1]
Ohatra 
1Izany tokoa no mahamamy ny fiaraha-monina amin' ny samy olombelona mifankahalala toetra sy mifankahazo am-po sy fanahy. [2.470]
2asa na hihaona ka hifankahalala izy mirahavavy any ho any na tsia. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifankahalala
Ny lasa : nifankahalala
Ny hoavy : hifankahalala

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20