Teny iditra mifady (fady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tsy mihinana an-tsitrapo, mandà tena tsy hihinana: Mifady hena isan-jomà izy
Manda tena tsy hanao (zavatra): Mifady ny fifaliana ara-nofo ny olona manokon-tena ho an' Andriamanitra
Mitana ny fahadiovam-pitondran-tena, tsy miray: Taloha, rehefa lasa niantafika ny vadiny, dia nahay nifady ny vehivavy malagasy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To abstain from, to endure abstinence
To carry marks with them to show that their husbands are away at the war, as women do. [1.2]
 To taboo, to abstain from [1.7]
Fanazavàna teny frantsay S'abstenir de, s'interdire, ne pas user de, ne pas manger de; ne pas faire, observer les défenses religieuses, médicales ou superstitieuses, se mortifier, se dit de la continence que doivent garder les femmes des militaires absents: Nifady toaka izay ela izay aho (Je me suis interdit le rhum, je n' ai pas usé de rhum depuis longtemps) ~ Nifady hena nandritra ny andro niainany izy (Il n'a pas mangé de viande de toute sa vie) ~ Nifady vary tamy ny Alakaosy ny vehivavy rehetra (Toutes les femmes s'abstenaient de manger du riz les deux premiers jours du mois Alakaosy) [1.3]
 S'abstenir de, s'interdire de, s'interdire selon les tabous [1.8]
Ohatra 
1Ary raha nankany an-tafika ny lahy, koa tsy mifady ny vavy fa mandcha aman' olona, dia mandoa 50 izy roa; [2.48]
2na dia tonga hisoaka ny tanana sy ny fandriana aza raha mifady indray dia loza. [2.131]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifady
Ny lasa : nifady
Ny hoavy : hifady
Filaza mandidy : mifadia
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/18