Teny iditra mievina (evina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamoaka rivotra amin' ny orona tsy iniana atao fa mibosesika mandeha ho azy ary mahatonga ny vava handefa piti-drora koa: Raha misy mievina dia mifandrombaka ny olona manao hoe: "Velona"; fa raha zaza kosa no mievina dia atao hoe: "Afa-drofy" [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sneeze [1.7]
Fanazavàna teny frantsay éternuer [1.8]
Ohatra koa raha misy ireo olona ireo mikohaka, na mievina, na miteny, raha afana' ny Kelimalaza, dia alao ny hoe "fambara ka hahita loza" izany olona izany fa ontanim-boina foana eo izy. [2.48]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mievina
Ny lasa : nievina
Ny hoavy : hievina
Filaza mandidy : mievèna
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20