Teny iditra mibarera (barera)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha miadana, mitari-damba: Rakoto ilay hitako nibarera anikeheo izay
Miroraka, milatsaka toy ny elatra na ny lamba tsy zakan' ny tompony: Mibarera ny elatr' ity vorona ity
Kivy, ketra-tsaina, manana endrika marikivy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be unable to fly high any longer, as a tired bird; to wear loose and flowing garmets dragging on the ground; to be loose, as the sides of a tent not properly stretched. See rebareba, refarefa [1.2]
Ohatra Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; [1.301]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mibarera
Ny lasa : nibarera
Ny hoavy : hibarera

Teny iditra mibarera
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] mirenireny [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] To go about freely, to be at liberty, to be unrestrained, as the air, birds, savages, etc. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mibarera
Ny lasa : nibarera
Ny hoavy : hibarera
Filaza mandidy : mibarerà

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/12