Teny iditra mibahana (bahana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misabaka na maka toerana lehibe eo amin' ny toerana fandalovana ka manakana ny hafa tsy handeha: Misy taolana mibahana amin' ny tendako ato [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sit or stand on anything in a straddling manner. [1.2]
 To stretch one's self out so as to block up the way; to straddle and block the way
To prevent communication
Fig. to be selfish. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay S'écarter ou être écarté, faire barrière [1.3]
 écarter les jambes pour barrer le chemin; faire barrière [1.8]
Ohatra Ny renirano hatrizay tsy rototra Dia eo vao mainka indray toa miroanahana, Ny lalany, ohatra ny ho tototra, No miseho ho sakana mibahana. [2.576]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mibahana
Ny lasa : nibahana
Ny hoavy : hibahana
Filaza mandidy : mibahàna
Ohabolana 

Teny iditra mibahàna (bahana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mibahana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]
Ohatra 
1Mibahàna eo ianao mba hisakana ireto ondry ireto [1.1]
2Mibahàna eo mba hisakana ny omby (Faites barrière là pour arrêter les bœufs) [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/09