Teny iditra Mba zovy kosa ho' aho?
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajemisa-Raolison Régis
Lahatsoratra 
Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana
An-tanintsika eto natao toa hijaliana?
Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany;
Indraika no mitsiky, impolo mitomany!

Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory
An-tanintsika eto ka lavo loha matory?
Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa,
Ka sorisory lava no zary miavosa!

Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy
Ka miramiran-dava milamina fanahy?
Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby,
Ka hany sisa hery miseho somebiseby!

Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento
Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto?
Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa,
Ny hafa mitoreo manembona ny lasa!

Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy
Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana,
Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy
No hangina samy irery tsy misy mpampangina!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02