Teny iditra manontany (ontany)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao teny mila setriny na valiny: Manontany anao aho ka valio
Manadina: Nanontany an' Isambilo momba ny bika aman' endriky ny tany ny mpampianatra
Maka ambavany, mamotopototra: Nanontany ny voampanga ny mpamototra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To inquire, to investigate, to make a search, to question [1.2]
 To ask a question, to interrogate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Poser une question; questionner, interroger [1.8]
Ohatra 
1Tsy manondro olona ho mpangalatra tsy akory aho fa mba manontany fotsiny. [2.472]
2Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manontany
Ny lasa : nanontany
Ny hoavy : hanontany
Filaza mandidy : manontania
Tovy hevitra miontany
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20