Teny iditra manomboka (tomboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao ny fiandohany: Tamin' ny valo aho no nanomboka ny entimodiko
Manao voalohany: Iza no nanomboka ady taminareo roa lahy
Miandoha, tonga ny fiandohany: Manomboka sahady lahy ny fahavaratra
Mitovy hevitra: mamaky lay ~ mamaky tantana mamaky sarona ~ mamari-body ~ manandrana ~ manantatra ~ manao satrany ~ manintsana avido ~ miala faditra ahitra ~ miala kopakopaka ~ misantatra ~ misava ranon' ando ~ mitarika ~ mitokana ~ tonga dia vavany [1.1]
Ohatra 
1manomboka izao ankehitriny izao ialahy, izao dia izao, dia any alatrano ialahy no matory. [2.470]
2Amin' ny fito no manomboka ny asa, dia mijanona amin' ny iray. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manomboka
Ny lasa : nanomboka
Ny hoavy : hanomboka
Filaza mandidy : manombòha

Teny iditra manomboka (tomboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manisy marika amin' ny vy mahamay, mitetika: Misy olona manomboka ny tarehiny any Afrika [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manomboka
Ny lasa : nanomboka
Ny hoavy : hanomboka
Filaza mandidy : manomboha

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31