Teny iditra manjono (jono)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Maka hazandrano amin' ny fintana: Nanjono trondro gain' izahay tamin' ny asabotsy hariva ka nahazo eran' ny harona
Maka trondro na hazandrano, na amin' ny fomba ahoana na amin' ny fomba ahoana: Nanjono amalona izahay fa tsy nahazo
Maka na mitarika olona amin' ny fomba kinga sy saro-toherina, manangoly, manojikojy: Nanjono ahy hiditra ao amin' ny antoko misy azy Rabe fa tsy nahomby [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fish with hook and line [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pêcher à la ligne [1.8]
Ohatra ireny no mpiara-mihaza amiko na mpiara-manjono rahefa tonga ny tonon-taona fanaovana izany. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manjono
Ny lasa : nanjono
Ny hoavy : hanjono
Filaza mandidy : manjonoa
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20