Teny iditra mangorintsina (horintsina)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Manaikitra izaitsizy hatrany amin' ny aty tsoka: Mangorintsina izany hatsiaka izany
Mahatsiaro marary mafy: Nangorintsina ny sandriko voadonan' ny oaravarana
Mahatsiaro marary noho ny feo mafy maranitra (sofina): Mangorintsina ny sofina amin' ny kiakiakan' ireo ankizy ireo fa roahy any ireo
Mitovy hevitra: mangintsina ~ migina ~ mikiririoka
Mangovitra, mihoron-koditra: Nangorintsina iray ihany ny tenako nahita ny nifandonan' ireo fiarakodia anankiroa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Ressentir une douleur piquante, vive, mais interne comme celle de la goutte; causer une douleur vive et interne [1.3]
Voambolana 
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20