Teny iditra mandefitra (lefitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay foretana, mamoritra: Mandefitra ny rantsam-boaloboka
Miaritra, mihafy, mizaka izay mihatra: Mandefitra ny fanaratsian' ny olona
Mamela, tsy maniny: Nandefitra ny hadisoana kely vitanao aho hatramin' izay, fa ity kosa tsy zakako intsony. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To endure, to suffer; to show forbearance [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Supporter, endurer; faire preuve de patience et de compréhension [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandefitra
Ny lasa : nandefitra
Ny hoavy : handefitra
Filaza mandidy : mandefera
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11