Teny iditra manaraka (araka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely
Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin' Andriamanitra
Mandeha amin' ny lavan' ny, sisin' ny, moron' ny: Mandehana manaraka ny valamparia
Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy
Momba ny..., miandany amin' ny,..: Manaraka ny fampianaran' i Bouddha
Avy aoriana, mandimby: Manaraka ny lohataona ny fahavaratra
Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy
Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao
Miady mba hahazo, mitaky amin' ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To follow, to pursue; to obey, to agree to, to prosecute. [1.2]
 To follow; to obey; to prosecute [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Suivre; obéir; poursuivre [1.8]
Ohatra 
1Miolakolaka manaraka ny fefiloha natao ho azy kosa Ikopa. [2.470]
2Ny alahady manaraka io anefa, vao mainka nihakaondrana indray aho, raha ny kaondrana no resahina. [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manaraka
Ny lasa : nanaraka
Ny hoavy : hanaraka
Filaza mandidy : manaraha
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra manaraka
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mitaratra tantely [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/25