Teny iditra manampina (tampina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manisy sarona amin' ny zavatra iray misokatra, na manakombona azy: Manampina vova fery ~ Manampi-maso tsy hahita
Manisy tapa-damba mba hanarona ny loaka amin' ny lamba: Manampina ny akanjon-janany rovitra Rasoa
Manisy tsentsina: Manampina tangirika amin' ny vody rindrina
Manisy sakana amin' ny zavatra iray mba tsy hahafahana mampiasa io zavatra io: Manampina lalana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To plug, to cork [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Boucher [1.3, 1.8]
 Fermer, mettre une pierre à un trou du mur [1.3]
Ohatra Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manampina, manampi-
Ny lasa : nanampina, nanampi-
Ny hoavy : hanampina, hanampi-
Filaza mandidy : manampena
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/21