Teny iditra man~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny man~]
Fanazavàna teny malagasy Tovona fanaovana matoantenin' ny mpanao ka toy izao sy toy izao avy ny fiovan' ny fototeny mikambana aminy:
A) fototeny manomboka amin' ny zanatsoratra sy ny renisoratra d, g, j: dia mikambana tsotra aminy ny man: man-ary, man-etry, man-iry, man-ova, man-dona, man-geja, man-jono;
B) fototeny manomboka amin' ny h kosa: dia indraindray latsaka ny h: man-hety = manety, indraindray miova ho g: man-horona = mangorona;
D) fototeny manomboka amin' ny l, r, z: dia miova araka ny hita amin' ny lalianpikambanan-teny ireo renisoratra ireo: man-lalo = mandalor,; man-roaka = mandroaka; man-zary = manjary
E) fototeny manomboka amin' ny m sy n: tsy miova ireo fa ny tovona man no tonga ma: man-mindro = mamindro, man-nemina = manenina
F) fototeny manomboka amin' ny k, s, t, ts: latsaka daholo ireo renitsoratra ireo: man-kaikitra = manaikitra, man-songona = manongona, man-tolotra = manolotra, man-tsongo = manongo
G) fototeny manomboka amin' ny f, p, b, v: miova ho mam ny man
H) raha mikambana amin' ny fototeny manomboka amin' ny f na p ny man, dia miova ho mamary latsaka ireo ranisoratra ireo: man-fikitra = mamikitra, man-potraka = mamotraka;
I) raha mikambana amin' ny fototeny manomboka amin' ny b na v ny man, dia miova ho mam, ka ny b mijanona ho b ihany (man-beda = mambeda) na indraindray latsaka (man-babo = mamabo) ary ny v kosa lasa b (man-voly = mamboly) na latsaka (man-velona = mamelona) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Prefix used to form verbs which are typically transitive, and adjectives [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Préfixe qui forme des verbes le plus souvent transitifs et des adjectifs [1.8]
Haiendriteny 
Tsotra : man~, mam~
Anaran-toerana 
Mpanahaka  mam-

Teny iditra man
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  lahy: a male, a man; a husband
lehilahy: a man
olombelona: a mortal man; mankind
olona: a human being, man [1.7]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31